John 15

1“Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. 2Esoriny ato amiko ny sampana rehetra izay tsy mamoa voankazo, ary rantsaniny ny sampana izay mamokatra mba hamoa voankazo bebe kokoa izany.

3Efa madio ianareo noho ilay hafatra izay nolazaiko taminareo. 4Mitoera ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampana tsy afaka mamokatra voankazo amin’ny tenany raha tsy mitoetra ao amin’ny voaloboka izany, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao amiko.

5Izao no voaloboka, ianareo no sampana. Izay mitoetra ato Amiko ary Izaho ao Aminy, dia mamokatra be izy, fa raha tsy misy Ahy dia tsy mahefa na inona na inona ianareo. 6Raha misy olona tsy mitoetra ao Amiko, dia ho ariana tahaka ny sampana izy ary halazo, ary izy ireo manangona ireo sampana ary manary izany any amin’ny afo, ary may izy ireo. 7Raha mitoetra ao Amiko ianareo, ary raha mitoetra ao aminareo ireo teniko, angataho na inona na inona irianareo, dia ho atao aminareo izany.

8Ny Raiko dia omem-boninahitra amin’izao, dia ny hamokaranareo voankazo bebe kokoa ka ho porofo fa mpianatro ianareo. 9Tahaka ny nitiavan’i Ray Ahy, no nitiavako anareo. Mitoera ao amin’ny fitiavako.

10Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ireo didin’ny Raiko sy nitoerako tao amin’ny fitiavany. 11Nilaza ireny zavatra ireny taminareo Aho mba ho ao aminareo ny fifaliako ary mba ho feno ny fifalianareo.

12Izao no didiko, dia ny hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13Tsy misy manam-pitiavana lehibe mihoatra noho izao, dia ny manolotra ny ainy ho an’ireo sakaizany.

14Namako ianareo raha manao ireo zavatra andidiko anareo ireo. 15Tsy hiantso anareo hoe mpanompoko intsony Aho, satria ny mpanompo dia tsy mahafantatra izay ataon’ny tompony. Nantsoiko hoe namako ianareo, satria ny zavatra rehetra izay reko tamin’ny Raiko, dia nampahafantariko anareo.

16Tsy nifidy Ahy ianareo, fa Izaho no nifidy anareo ary nanendry anareo mba andeha ka hamokatra, ary mba tokony hitoetra ny vokatrareo. Natao izany mba na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako, dia homeny anareo izany. 17Ireny zavatra ireny no andidiko anareo mba hifankatiavanareo.

18Raha mankahala anareo izao tontolo izao, fantaro fa nankahala Ahy izy talohan’ny nankahalany anareo. 19Raha avy amin’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao tahaka ny azy ianareo. Fa satria tsy an’izao tontolo izao ianareo ary nofidiako hiala amin’izao tontolo izao, noho izany dia halan’izao tontolo izao ianareo.

20Tsarovy ny teny nolazaiko taminareo hoe: ‘Ny mpanompo dia tsy lehibe noho ny tompony.’ Raha nanenjika Ahy izy ireo, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy ireo, dia hitandrina ny anareo koa. 21Hanao ireo zavatra rehetra ireo aminareo izy ireo nohon’ny Anarako, satria tsy fantatr’izy ireo Izy izay naniraka Ahy. 22Raha tsy tonga sy niteny tamin’izy ireo Aho, dia tsy ho nanota izy ireo, fa ankehitriny tsy afa-miala amin’ny fahotany izy ireo.

23Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko ihany koa. 24Raha tsy nahavita ireo asa izay tsy nataon’ny olon-kafa teo anivon’izy ireo Aho, dia tsy ho nanan-keloka izy ireo, fa ankehitriny efa sady hitany no halany Izaho sy ny Raiko. 25Fa izany dia mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ny lalàn’izy ireo hoe: ‘Mankahala Ahy amin’ny tsy misy antony izy ireo.’

26Rehefa ho avy ilay Mpampahery—izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, ilay, Fanahin’ny fahamarinana, izay mivoaka avy amin’ny Ray—dia hanambara ny momba Ahy Izy. Ianareo ihany koa dia mijoro vavolombelona satria efa niaraka tamiko hatrany am-piandohana ianareo.

27

Copyright information for PltULB